Fandaharana Mahenika Ma-tv: RAHARAHA TANY 7 000 HA MAROVOAY

  • jeudi, 12 mars 2020 09:42
  • Tigre

Nobaboin’ny fitsarana ary natao lavanty ho fanoneran-trosa ny tany mirefy 7 000 Ha ao amin’ny lemak’i Marovoay.

Trosa tsy voalohan’ny fanjakana malagasy ary nobaben’ny orinasa FIFABE nandritra ny 41 taona.

Ny orinasa SOMIA vondrona Akesson, izay tompon-trosa ihany no nahazo ny tany, tamin’ny lavanty.

Sahiran-tsaina ny tsantsaha mpamboly vary izay tsy afaka niaro ny taniny, tafiditra tao anatin’ny tany natao lavanty.

Nanjavona ny dossier an’ny kaoperativa, nihitsoka tao amin’ny domaines ny bokin-tany efa vita. Nampananosarotra ny ady niarovana ny tany avokoa izany.

Fanadihadiana harahinao ao anatin’ny fandaharana Mahenika, ao amin’ny Ma-tv, ny Sabotsy 14 martsa 2020 amin’ny sivy ora alina.

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.