Tselatra

    • jeudi, 24 septembre 2020 22:14
    • Sary nindramina

    Village Touristique – Mahajanga: Hita natsingevan’ny ranomasina ny nofomangatsikan'ilay tovolahy dobo an-drano omaly

    Nisy joro natao ho fanajana ny fomban-tany androany maraina. Taorian'izay no natsingevan’ny ranomasina ny nofomangatsikan'ilay tovolahy iray, manodidina ny 15 taona, natelin’ny ranomasina teo amin’ny Village Touristique omaly tolakandro. Raha ny angom-bavao dia nisy vevavy nilomano dia saika natelin’ny ranomasina tamin’io fotoana io. Raha nahita izany ny tovolahy roa teo manodidina dia niezaka nanavotra azy.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 24 septembre 2020 21:04
    • Sary nindramina

    Village touristique – Mahajanga: Tovolahy nandeha hanavotra olona, izy indray no natelin’ny ranomasina

    Tovolahy iray manodidina ny 16 taona no natelin’ny ranomasina teo amin’ny Village touristique ny alarobia 23 septambra tolakandro. Raha ny angom-bavao dia nisy vevavy nilomano dia saika natelin’ny ranomasina. Nisy tovolahy roa teo manodidina nahita azy, dia niezaka nanavotra. Avotra ilay vevavy sy ny iray tamin’ireo tovolahy nanavotra, fa ny iray natelin’ny ranomasina ary mbola nokarohina hatramin’ny lenti-masoandro fa tsy mbola hita.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 23 septembre 2020 19:52
    • Sary nindramina

    Ambalavao Isotry: Trano fitehirizana entana nirehitra

    Nitrangana haintrano teo Ambalavao Isotry – Antananarivo Renivohitra ny hariva teo. Trano fitehirizana entana izay karana no tompono no nirehitra. Nanao izay ho afany ny mpamonjy voina namono ny afo. Nisy tovolahy iray nosamborin’ny Polisy, voalaza fa nanararaotra nanendaka tao anatin’ny fitangoronana sy fikoropahan’ny olona nandritra ity haintrano ity. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mardi, 22 septembre 2020 19:49
    • Sary nindramina

    Lova Renée: Notoloran’ny Governoran’ny Faritra Atsinanana fanomezana sy fahatsiarovana

    Faly niarahaba an’i Lova Renée tamin’ny nahafahany CEPE izay fanadinam-panjakana voalohany, ny Governoran’ny Faritra Atsinanana RAFIDISON Richard Théodore. Nampiantso an’i Lova Renée sy ny Ray aman-dReniny tao amin’ny birao fiasany ny Governora androany tolakandro, nanolotra fanomezana sy fahatsiarovana mba ho mari-pankasitrahana azy; sady nisaotra ihany koa ny ezaka fanentanana ady amin’ny Covid-19 rehetra nataony.
    Lire la suite ...
    • mardi, 22 septembre 2020 14:59
    • Sary: Polisim-pirenena

    Fisolokiana: Olona efatra vosambotry ny Polisy

    Voarohirohy amina fanodinkodinana menaka iray kamio hita tetsy Itaosy izy ireo. Voatonona tamin’ny fanodinkodinana vary milanja 97 taonina ihany koa, ary fanodinkodinana "carreau" sy "matériel sanitaire" mitentina 91 938 800 Ariary tamina orinasa iray teto an-drenivohitra. Mampiasa anarana fikambanana mpanao asa soa samihafa, ary koa mampiasa seky halatra izy ireo ividianana entana amin'izay olona solokiany. Saron’ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisaria Boriborintany Voalohany Analakely izy efatra, izay mpivady ny roa, miampy vehivavy lehibe iray sy lehilahy iray.    
    Lire la suite ...
    • lundi, 21 septembre 2020 20:58

    AKAMA 67Ha: 73% ny taham-pahafahana CEPE

    11 tamin’ireo mpianatry ny AKAnin'ny MArenina (AKAMA) 67Ha niisa 15 nanala fanadinana CEPE no afaka soamantsara, manome taham-pahafahana manodidina ny 73%.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 21 septembre 2020 20:48
    • Sary nindramina

    Mahabo: Notanana am-ponja vonjimaika i depiote Leva

    Natao androany tolakandro tao amin'ny Tribonaly Morondava ny fanadihadiana ny depiote teo aloha Raveloson Ludovic dit Leva, rehefa nosamborina tany Antananarivo ny alarobia 16 septambra, ary notanana tao amin'ny Zandarimaria Morondava. Fitoriana nataon'olona tamin'ny taona 2018 no hiampangana azy, ho nifamaly narahana fikasihan-tanana, ka nahazoan'ity farany taratasy avy amin'ny dokotera fijanonan'asa mandritra ny 15 andro. Tsy niakatra tao amin'ny fitsarana mpanao fanadihadiana anefa ity mpitory satria mbola mamita sazy 3 taona an-tranomaizina aty Morondava noho ny resaka fisolokiana.
    Lire la suite ...
    • lundi, 21 septembre 2020 17:15
    • Sary nindramina

    Ramahafadrahona: Nalevina ny andro nahafatesany

    Nanao fanambarana tao amin’ny pejiny facebook i Tafs Ramahafadrahona, zanaka lahin-dRamahafadrahona, io hariva io, milaza fa « Araka ny toromarika avy amin’ny fanjakana mahefa dia asitrika izao Papa Ramahafadrahona. Manaiky ny fandaminana isika ». Nodimandry androany 21 septambra 2020 teo amin’ny faha-82 taonany i Ramahafadrahona, rehefa notsaboina tao amin’ny HJRA Ampefiloha Antananarivo. Mpanakanto, mpanentana fandaharana tao amin’ny Radio Nasionaly Malagasy i Ramahafadrahona, fahavelony.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 20 septembre 2020 22:08
    • Sary nindramina

    Ankatso II: May ny Bloc Amicale II fonenan'ny mpianatra

    May ny sabotsy 19 septambra 2020 tokony ho tamin'ny 11 ora sy sasany alina ny Bloc Amicale II fonenan'ny mpianatra eny Ankatso. Raha ny filazan'ireo nanatri-maso dia « court circuit » no nahatonga ny loza. Hatreto, 70 ireo mpianatra tsy manan-kialofana sy rava fananana. Tsy nisy kosa ny naratra na ny aina nafoy.Nanampy tamin'ny famonoana ny afo ny avy ao amin'ny sampana mpamonjy voina. Nananosarotra ny famonoana ny afo noho ny tsy fahampian'ny tosika sy fahasarotan'ny fahitana rano.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 20 septembre 2020 21:25

    CEPE 2020 - Cisco Toamasina I: 84,95% ny taham-pahafahana

    Nampiantso ireo mpampianatra sy ireo lehiben’ny ivontoeram-panadinana miisa enina teto Toamasina, androany, hanamarina ny tahan’ny mpiadina nohafahana CEPE tato amin’ny Cisco Toamasina I. Notapahana tamin’izany fa 09/20 no ahafahana noho ny olan’ny fampianarana Malagasy nateraky ny Covid-19. Nahatratra 84,95% ny tahan’ny fahafahana CEPE 2020. Nisy fiakarany kely ny taham-pahafahana miohatra ny tamin’ny taona 2019 izay nahatratra 83,34%.  
    Lire la suite ...
Page 1 sur 591