Covid19: Malagasy maro no tavela any ivelany miantso vonjy ny hamelana azy ireo hody an-tanindrazana

  • mardi, 19 mai 2020 21:48
  • Sary nomena Koweït

Mitaraina ireo vehivavy teratany Malagasy mikarama any Koweït fa ho tapitra amin’ny 22 may izao ny fe-potoana nomen’ny governemanta any an-toerana handraisana an-tanana azy ireo hahafahan’izy ireo mody an-tanindrazana. Natoby amina sekoly izy ireo nanomboka tamin’ny 26 aprily, anatin’izao fihibohana noho ny Coronavirus izao, miaraka amin’ireo mpiavy avy amin’ny firenena hafa toa an’i Philippines, Népal, Indonésie, Ethiopie, Srilanka sns, ireto farany izay efa saika tafody any amin’ny fireneny avy ny ankamaroany.

Iantohana ny tapakilan’ny fiaramanidina hodian’izy ireo, fa miankina amin’ny fankatoavan’ny fanjakana malagasy ny hahafahan’izy ireo miditra eto Madagasikara ny fiaingana any.

Mbola manantena ny ho tafody an-tanindrazana ihany koa ireo tantsambo Malagasy miasa amin’ireo sambobe italiana MSC, tavela any Amerika sy Eoropa, izay efa iantohan’ny orinasa mpampiasa azy ireo ny fiaramanidina hodiany aty Madagasikara raha ankatoavina ny hidiran’izy ireo eto.

Misy ihany koa teratany Malagasy nitsabo tena any Inde no tavela any. Tokony hody an-tanindrazana tamin’ny 5 aprily, daty mampanan-kery ny tapakila eo ampelan-tanany tokony hiverenana an-tanindrazana saingy dilan’ny fe-potoana 19 marsa 2020, noferan’ny governemanta malagasy hikatonan’ny sisintany ho an’ny sidina ivelany rehetra. Lany vatsy, lany ny fanafody … mahatsiaro ho very an-tanin’olona izy ireo.

Maro ireo Malagasy any Eoraopa no tavela any ihany koa, izy rehetra dia manaiky ny fepetra rehetra na fitiliana na fanokana-monina rehefa tonga eto Madagasikara.

(Sary nomena Koweït)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.