Sociale

    • vendredi, 27 novembre 2020 19:20
    • Sary : Mesupres

    Oniversitem-panjakana : Trano 9 fonenan'ny mpianatra no haorina

    Trano 9 fonenan'ny mpianatra no haorina ho fanamaivanana ny olan'ny oniversite manerana ny Nosy, ka ny iray any Mahajanga, iray any Antsiranana, roa ao Antananarivo, iray any Toliara, iray any Morondava, iray any Fenoarivo Atsinanana, iray any Soavinandriana ary iray any Antsirabe. Pr Assoumacou Elia Béatrice, Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ankehitriny rahateo dia maintimolalin'ny "Cité Ankatso I" ka mahafantatra tsara ny andavanandron'ny mpianatra eny anivon'ny "Cité Universitaire" eny. Efa vita ny fitsidihina ireo toerana hanaovana ny fotodrafitr'asa, ary efa voasivana sy voafidy ireo orinasa hanatanteraka izany.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 22 novembre 2020 16:39

    Anosizato-Antananarivo : Fianakaviana sahirana miisa 150 nisitraka fanampiana

    Nanome tolo-tanana ho an’ireo fianakaviana sahirana miisa 150 tetsy amin’ny Boriboritany fahaefatra ny orinasa STAR sy ny “Fondation Coca Cola” izay nisy fiaraha-miasa teo amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ny 20 novambra 2020. Ny anton'izao fanampiana izao dia fitsinjovana ireo renim-pianakaviana sahirana eny anivon’ny Fokontany sy noho ny fisian’ny valan’aretina Covid-19.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 22 novembre 2020 13:08

    Antoky ny Sehatry ny Asa : Sendika faharoa mijoro eo anivon’ny Antenimierandoholona

    Sendika faharoa mijoro eo anivon’ny Antenimierandoholona ny Sendika ASA “Antoky ny Sehatry ny Asa eto amin’ny Antenimierandoholona”, ivondronan’ireo mpiaramiasa toa ny mpikarakara ny trano, mpamily, mpahay lalàna, toekarena, tetipivoarana, serasera, arofenitra, fifandraisana iraisam-pirenena, kajy mirindra sns... Nomarihana ny Zoma 20 Novambra 2020 ny fanokafana ny asa sendikaly ataon’ny ASA. Tanjon’ny Sendika ASA ny hampitombo ny traikefan’ny mpiasa rehetra, ary hampahalala azy ny andraikiny sy ny zo mifanandrify amin’izany mba hananan’ny tsirairay fitonian-tsaina maharitra eo am-panatanterahany ny adidy sy andraikitra iantsorohany. Mpikambana feno ao amin’ny vondrona sendikaly SSM (Solidarité Syndicale de Madagasikara) ny Sendika ASA.Amin’ny maha Sendika azy dia tsy mandray baiko politika na avy aiza na avy aiza, na avy amin’iza na iza ny Sendika ASA.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 19 novembre 2020 19:49
    • Sary nindramina

    Aretina mamany lava : Misy fandidiana maimaimpoana ao amin'ny CHRR Bongolava

    Nanomboka ny fiandohan'ity herinandro ity, ary haharitra roa herinandro ny fandidiana maimaimpoana ny aretina mamany lava, izay atao ao amin'ny CHRR Bongolava, na hopitaliben’i Tsiroanomandidy. Natao hanamaivanana ny fahasahiranan'ny Vahoaka sy ho fampiharana ny fitsaboana manaja ny maha-olona, ary indrindra ny ady amin'ny kolikoly ity hetsika ity.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 18 novembre 2020 12:55

    Fifohana sigara sy fihinanana paraky : Anisan'ny loza mitatao ho an'ny fahasalamam-bahoaka

    8 tapitrisa isan-taona eo ireo olona maty vokatry ny fifohana sigara sy fihinanàna paraky maneran-tany, 6 hetsy ireo namoy ny ainy vokatry ny fievohana setro-tsigara. Raha ireo antontan'isa ireo no jerentsika dia anisan'ny loza mitatao ho an'ny Fahasalamam-bahoaka, tsy eto amintsika irery ihany, fa maneran-tany mihitsy ny fifohana sigara sy fihinanana paraky, koa manentana ny tsirairay samy handray ny andraikitra tandrify azy manoloana izany ady izany.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 15 novembre 2020 19:32
    • Sary nindramina

    Ady amin'ny covid-19 : Nampitomboana ny fitaovam-pitsaboana sy kojakoja ilain’ny mpiasan’ny fahasalamana

    Tontosa ny zoma 13 novambra 2020 teny amin’ny tokotaniben’ny Hôpitaly HJRA Ampefiloha ny fanolorana ireo fitaovam-pitsaboana sy kojakoja ilain’ny mpiasan’ny fahasalamana hanomezana tolotra ara-pahasalamana mendrika ho an’ny vahoaka. Fiaraha-miasan’ny Governemanta Malagasy amin’ny Governemanta Japoney sy ny UNFPA no nahazoana ireto fitaovana ireto. Faritra miisa 15 manerana an'i Madagasikara no hisitraka izany, dia Alaotra Mangoro, Analamanga, Atsimo Andrefana, Androy, Atsinanana, Betsiboka, Boeny, Sofia, DIANA, SAVA, Matsiatra Ambony, Ihorombe, Vakinankaratra, Vatovavy Fitovinany ary Menabe.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 15 novembre 2020 18:14
    • Sary nomena

    Helo-dranon’Ambaro : Voasokajy ho faritra mando faha-21 eto Madagasikara

    Nosokajiana ho isan’ireo faritra mando anatin’ny lisitra Ramsar ny ala honko ao amin’ny helo-dranon’Ambaro, amin’ny morontsiraka avaratra andrefan’i Madagasikara, manamorona ny Canal de Mozambique, eo anelanelan’i Nosy Faly sy Port Saint-Louis. Velaran-tany 54 000 hekitara no misy azy, ary ahitana karazan-javamananaina maro, toy ny zavamaniry sy ny biby izay tsy fahita raha tsy ao an-toerana, ary ny ankamaroany dia ahiana ho lany tamingana. Ny 44 amin’ireo karazam-borona 99 hita ao amin’ny helo-dranon’Ambaro dia azy manokana, ary tsy hita raha tsy ao aminy ihany. Maro amin’izy ireo anefa no ahiana ho lany tamingana toy ny Ankoay, ny Héron de Humblot, ny Fiandry voditatatra, ny Sarcelle de Bernier ary ny vanga de Van Dam. Itoeran’ny varika ihany koa ity helo-drano ity. Isan’izany ny lémur noir, hapalémur gris occidental ary ny microcèbe de Sambirano.Tsy latsa-danja ihany koa ireo karazan-trondro toy ny mâchoiron malagasy, sardinelle à queue noire, ny poisson-verre de Commerson. Tena mampiavaka ity helo-drano ity ny ala honko. Misy karazany roa tena miavaka ao, dia ny Avicennia marina, sy ny Sonneratia alba.
    Lire la suite ...
    • samedi, 14 novembre 2020 11:07
    • Sary nindramina

    Fahasalamam-bahoaka : 4% ny tahan’ireo fantatra fa mararin’ny diabeta eto Madagasikara

    Nankalaza ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny diabeta ny teny amin’ny Lapan’ny Antenimieram-pirenena. Natao ny zoma 13 novambra, raha toa ka ny 14 novambra no ankalazana io andro io isan-taona. Ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka no nikarakara ny hetsika izay niarahana tamin'ny AMADIA. Nivoitra nandritra izany ny tokony hampahafantarana izany aretina izany amin’ny vahoaka, satria marobe ny voka-dratsy aterak’io aretina io. Ny tsy fahafantaran’ny ankabeazan’ny olona no manjary mandiso ny fitsaboana. Marihina fa 4% ny tahan’ireo fantatra fa mararin’ny diabeta eto Madagasikara. Na izany aza dia mbola vitsy ireo olona voatily, satria olona 1 amin’ny 10 no nahazoana io taha io. Nanatanteraka fitiliana diabeta faobe ho an’ny Solombavambahoaka sy ny mpiasan’ny Antenimieram-pirenena ihany koa ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, ary fanentanana amin’ny dia
    Lire la suite ...
    • vendredi, 13 novembre 2020 11:14

    Herisetra atao amin'ny maha lahy na maha vavy : Hentitra ny sazy

    Asa an-terivozona imasom-bahoaka mba ho fananarana. Haseho ny fiarahamonina ireo mpanao herisetra ara-pananahana, na ireo mpanolana, sy ireo mpanao herisetra amin’ny maha-lahy na maha-vavy (Violences basées sur le genre – VBG). Hafainganina ho isan-kerinandro ny fitsarana ireo raharaha momba ny VBG. Nisongadina ireo omaly nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nataon’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana sy Minisitry ny Fitsarana, Atoa Johnny Richard Andriamahefarivo teny amin'ny birao fiasany eny Faravohitra.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 11 novembre 2020 13:44
    • Sary : LDG

    Famatsian-drano : Miantso vonjy ny mponin’Ambatolampy Antehiroka

    Misedra olana amin’ny rano fisotro ary velon-taraina ny mponina eny Ambatolampy Antehiroka. Lany fotoana andro aman’alina, amin’ny fiandrasana rano ho tonga amin’ny paompy ny olona ka miantso vahaolana fa efa miantraika amin’ny fahasalamana izy ity, ary mampisavorovoro. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
Page 1 sur 225