Faritra ATSINANANA: Hifantoka tanteraka amin’ny asa fampandrosoana

  • mercredi, 12 août 2020 16:13
  • Tigre
  • Sary nomena

Tapitra ny fihibohana vokatry ny valanaretina Covid-19 raha ny eto amin'ny Faritra Atsinanana, hifantoka tanteraka amin’ny asa fampandrosoana ny Ekipan’ny Governora RAFIDISON Richard Théodore.

Fanambin’ny Governora Faritra Atsinanana hatramin’ny nandraisany ny andraikiny ny 19 martsa, ny hametraka ny faritra Atsinanana ho anisan’ireo Faritra mpitarika na « région pilote », manoloana ireo vina sy fandaharan’asa sy tetik’asa kasain’ny fitondram-panjakana apetraka.

Mila Faritra matanjaka, miasa ary mazoto anefa izany fanamby goavam-be izany. Ary tsy ho tratra velively ny tanjona, raha tsy ireo hery velona rehetra anatin’ny Faritra Atsinanana no mifandrimbona amin’izany.

Fepetra iray ihany izany, fa ny tena takian’ny Fampandrosoana dia ny fananana Drafitrasam-pampandrosoana maty paika, marina ary eken’ny rehetra.

Natomboka ny herinandro lasa teo, ny asan’ny « consultant » nalaina hanatontosa ny PRD na Plan Régional de Développement, hamaritra ny vinan’asa rehetra hotanterahin’ny Faritra Atsinanana ny 2020 – 2023.

Vina izay mifanindran-dàlana amin’ny Vinan’ny fitondram-panjakana, izay voarakitra ao anatin’ny PGE sy ny PEM ary ny ODD.

Fomba fiasa manaja ny TRANSVERSALITE, INCLUSIVITE METHODE PARTICIPATIVE… izany hoe ireo fomba rehetra hampandraisana anjara ireo mpisehatra amin’ny asa fampandrosoana, ity ekipan’ny Cabinet CONFORME (Conseil – Formation – Etudes) ity.

Vinavinaina fa alohan’ny faran’ny taona 2020, dia vonona ity PRD Atsinanana ity, izay sady Drafi-panajariana hiasana mivantana no fitaovana entina handresy lahatra ireo mpiara-miombon’antoka rehetra afaka hatonina.

Nasaina tamin’izao fivoriana fanolorana izao, ireo Fitaleavana sy ny Sampan-draharaha rehetra eto Toamasina, indrindra koa fa ny Olom-boafidy sy Solombavam-bahoaka ary ny ekipan’ny Faritra Atsinanana.

Hitety azy ireo ny ekipan’ny « consultants », alohan’ny hitetezan’izy ireo ny Distrika 07 ato anatin’ny Faritra Atsinanana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.