Fitaterana hazo sarobidy: Manome alalana hitaona izany ny minisitry ny serasera

  • mercredi, 12 août 2020 12:19
  • Super User

Aleo dia ampiasaiko ilay tenin'ny namana iray iny hoe: "Za zany dé tsy nahateny tsony fa nalahelo be fotsiny".

Ny minisitry ny serasera dia nanome alalana orinasa hitatitra hazo anamboarana ny Rova Manjakamiadana.

Raha tsiahivina moa dia Tropical Woods no nahazo ny tsena nanamboatra ny resaka hazo tao amin'ny Lapan'ny Tanàna Antananarivo Renivohitra, nanamboatra ny tranon'ny Filoha Andry Rajoelina, ary namana akaiky an'ingahy Mamy Ravatomanga.

Ny minisitra Lalatiana Rakotondrazafy moa dia akaiky an'i Mamy Ravatomanga, izay izy no mampiantrano sy miantoka amin'ny ampahany ny fampandehanan-draharahan'ny Free Fm sy Gazety Free ao amin'ny Villa La Pradon Antanimena.

Antenaina fa nisy fifaninana tolo-bidy izy ity.

Mirary soa e.
Patrick

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.