Serasera: Nahazo taratasy fampitandremana ny Real TV

  • samedi, 28 mars 2020 21:39
  • Tigre

Araka ny Filazana ny hamehana ara-pahasalama eto amin'ny firenena dia efa nanaovan'ny ministeran'ny serasera sy ny kolotsaina filazana ny Radio sy Televizionina Real TV sy Real FM ny andefa manontolo sy mivantana ny fandaharana avy amin'ny sampana fibaikona momba ny coronavirus na ny CCO, ary andefa ny fandaharana manokana "miara-manonja", nefa tsy nanao izany ny Real TV ny 26 sy 27 marsa 2020, mba hitsimbinana ny fandriam-pahalemana sy ny filaminam-bahoaka amin'izao fotoanan'ny krizy izao.

Ambonin'izany dia nanasa manokana ramatoa iray tamin'ny fandaharana "invité du jour" ny 25 mars 2020, izay nitarika ny olona hankahala ny mpitondra ary miantso fikomiana.

Mbola mampiely vaovao tsy marina ihany koa, hoy hatrany ity taratasy nalefan'ny ministeran'ny serasera ity ny Real TV, izay manohitohina ny filaminam-bahoaka, izay mahatonga ny mpihaino sy mpijery tsy atoky ny ratsamangaikam-panjakana sy ny vaovao ofisialy avoakany.

Izany rehetra izany dia kilasiana ho fandikan-dalàna sy hadisoana be vava, koa omena 24ora ny Real TV sy Real FM hanarahany ny fitsipika mifehy ny fepetra momba ny hamehana ara-pahasalamana, fa raha tsy izany dia andray ny fepetra ara-panjakana ny ministera, izay tsy manakana ny fampiakarana ny raharaha ara-pitsarana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.