Politique

    • jeudi, 24 septembre 2020 22:38
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Me Hanitra Razafimanantsoa: « Tsy niova velively, vonona mandrakariva »

    « Mbola ito aho, mbola manana etika politika, mahalala ny antoko politika misy ahy, mahafantatra ny iraka nampanaovina ahy, izay no zava-dehibe ». Fanambarana nataon’i Me Hanitra Razafimanantsoa, solombavambahoaka voafidy tao Antananarivo I, tamin’ny anaran’ny antoko Tiako i Madagasikara io androany, manoloana ny fanontaniana sy fanamarihan’ny maro tamin’ny tsy nahitana azy elaela izay, indrindra tao anatin’ny fihibohana noho ny hamehana ara-pahasalamana. Nandray anjara tamin’ny fihaonan'ireo olomboafidin’ny antoko Tiako i Madagasikara rehetra teny amin’ny Foiben’ny Antoko, Ampandrana Bel’air i Me Hanitra Razafimanantsoa androany.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 24 septembre 2020 22:32
    • Zakaria

    KMF/CNOE : « Tiantsika ho entina aiza ity Firenena ity ? »

    Namoaka fanambarana ny KMF/CNOE taorin’ny didy navoan’ny teo anivon’ny Filankevi-panjakana izay nanipy ny baolina any amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenena na HCC, mikasika ny fitoriana nataony. Efa fantapantatra ny mety ho valin’ny didy, hoy ny KMF/CNOE, satria fitoriana fanampiny fotsiny iny napetraka teny amin’ny Conseil d’Etat tamin’ny 14 septambra, fa ny tena votoatin’ny fitoriana dia efa tafapetraka sahady teo amin’ny HCC ny 11 septambra 2020. Manantena ny KMF/CNOE fa hitsara araky ny lalàna sy ny feon’ny fieritreretany ireo Mpikambana ao amin’ny HCC, fa tsy hanaiky izay mety ho tsindry politika samihafa.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 24 septembre 2020 08:52
    • Super User
    • Sary nindramina

    Teti-bola 2020 ministeran'ny fahasalamana

    - Ministeran'ny fahasalamana:  Karama: 215,875 miliara ariaryIndemnités: 2,283 miliara ariaryFampandehanan-draharaha: 58,426 miliara ariaryInvestissement: 401,732 miliara ariaryTeti-bola 676,033 miliara ariary
    Lire la suite ...
    • mardi, 22 septembre 2020 19:51
    • Zakaria

    Antoko politika sy ny « Collectif des Parlementaires » : Tsy hanatrika ny fivoriana izay iantsoan’ny CENI ny alarobia

    Nanao fanambarana ireo Antoko politika sy ny « Collectif des Parlementaires » nivory teny amin’ny Panorama ny alakamisy 17 septambra 2020 fa « tsy hanatrika ny fivoriana izay iantsoan’ny CENI ny alarobia 23 septambra 2020 ». Ny antony ambaran’izy ireo dia noho ny tsy fanenken’izy ireo intsony ny Vaomiera Mahaleotena Misahana ny Fifidianana na ny (CENI) amin’izao endriny izao.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 22 septembre 2020 14:18
    • Zakaria
    • Sary: CENI

    CENI: Nanao fianianany i Benaivo Andrianaly Narcisse, mpikambana vaovao

    Nanatanteraka ny fianianany teny amin’ny Fitsarana an-tampony Anosy ny alatsinainy 21 septambra 2020 , ny mpikambana vaovao eo anivon’ny Birao Maharitry ny CENI, Benaivo Andrianaly Narcisse. Misolotena ny Antenimieram-pirenena eo anivon’ny CENI ny Administratera sivily Benaivo Andrianaly Narcisse.Handray ny toerana Filoha Lefitry ny CENI ny tenany. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mardi, 22 septembre 2020 10:37
    • Super User
    • Sary nindramina

    Teti-bola 2020 isaky ny Kaominina manerana ny nosy.

    Ny Kaominina dia ratsamangaika ao anatin'ny Vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana, izay miankina amin'ny ministeran'ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana. MINISTERE DE L'INTERIEUR ET DE LA DECENTRALISATIONKarama: 36,364 miliara ariaryIndemnités: 1,339 miliara ariaryFampandehanan-draharaha: 136,215 miliara ariaryInvestissement: 198,172 miliara ariaryTeti-bola 370,751 miliara ariary
    Lire la suite ...
    • lundi, 21 septembre 2020 17:10
    • Super User
    • Sary nindramina

    Teti-bola ministeran'ny fanabeazam-pirenena

    MINISTERE DE L'EDUCATION NATIONALE ET DE L'ENSEIGNEMENT TECHNIQUE ET PROFESSIONNEL Karama: 902,883 miliara ariaryIndemnités: 10,125 miliara ariaryFampandehanan-draharaha: 125,601 miliara ariaryInvestissement: 276,847 miliara ariaryTeti-bola 1 305,331 miliara ariary
    Lire la suite ...
    • dimanche, 20 septembre 2020 22:47
    • Tigre

    No comment décentralisation

    Loi des finances rectificatives 2020 Présidence: 210 milliards ariaryPrimature: 124 milliards ariarySénat: 16 milliards ariaryAssemblée Nationale: 52 milliards ariaryMinistère finance: 2 729 milliards ariary Gouverneur Faritra: 2 milliard ariary x 22 = 44 milliards ariary pour toutes les régions. "Nampiakarina 2 miliara ariary, mbola tsy nisy nanao izany hatramin'izay, izany no tena fampandrosoana ny faritra" hoy ny Praiminisitra androany alina tao amin'ny TVM.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 16 septembre 2020 21:52
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    CENI: Hanao fihanianana eo anoloan’ny Fitsarana i Benaivo Andrianaly Narcisse, mpikambana vaovao

    Hotanterahina amin’ny 21 septambra 2020 ao amin’ny Fitsarana Tampony Anosy ny lanonana ara-pitsarana hanaovan’i Benaivo Andrianaly Narcisse fihanianana, mialoha ny handraisany ny asany, sy ny toerana ao amin’ny Birao maharitry ny CENI, na Vaomiera mahaleotena momba ny fifidianana. Benaivo Narcisse no solonten’ny Antenimieram-pirenena eo anivon’ny CENI, nandritra ny fifidianana nataon’ireo Solombavambahoaka ny 30 jona 2020 teny amin’ny CCI Ivato. Niisa 24 ireo kandida nifaninana ho amin’io toeran’ny filoha lefitry ny CENI io, nahitana Administratera sivily, Mpitsara ary koa manamboninahitra miaramila. Nahazo vato 60 izy raha 93 no isan’ny tonga nifidy.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 13 septembre 2020 12:20
    • Zakaria
    • Sary nomena

    Fanoherana: Mijoro ny RMDM Alaotra Mangoro

    Tafajoro ny sabotsy 12 septambra ny Rodoben’ny Mpanohitra na RMDM Alaotra Mangoro. Avy amin’ny antoko HVM no voafidy hitarika.Nanatrika ny fananganana izany taty Ambatondrazaka ny birao RMDM Toamasina.  
    Lire la suite ...
Page 1 sur 136