Filtrer les éléments par date : vendredi, 07 août 2020

La deuxième phase de la distribution des aides "Vatsy Tsinjo" et " Tosika Fameno" a débuté jeudi 06 août 2020 à Fianarantsoa, dans la Région Haute Matsiatra. Le Président de la République Andry Rajoelina et son épouse Mialy Rajoelina, étaient au gymnase d'Ambatomena pour donner le coup d'envoi de cette deuxième campagne.

La priorité a été donnée à quatre secteurs d'activités durement affectés par les mesures de restrictions sanitaires. A savoir, le tourisme (les guides touristiques, les chauffeurs guides...), les transporteurs régionaux et nationaux, les enseignants d'écoles privées, ainsi que les employés dans les bars et karaokés. Les chefs Fokontany ont également figuré parmi les bénéficiaires des « Vatsy Tsinjo ».

Publié dans Politique

Taom-piasana roa izao no teo amin’ny fitondrana tany Côte d'Ivoire i Alassane Ouattara. Efa nanambara fa tsy hirotsaka hofidiana intsony izy.

Niverina tamin’ny fanapahan-keviny anefa izy taorian’ny nahafaty an’i Amadou Gon Coulibaly, praiminisitra sady kandida nomaniny handimby azy.

Izay no anisany antony nambarany fa hirotsahany ho fidiana indray, eo koa ny hoe : adidy amin’ny maha olompirenena.

78 taona ankehitriny i « ADO », anarana isany fiantson’ny mpanao politika any an-toerana azy, azo avy amin’ny fanafohezana ny anarany feno Alassane Dramane Ouattara.

Publié dans Politique

2 tapitrisa amin’ireo mponina manodidina ny 1,353 lavitrisa any Inde ankehitriny no voamarina fa voan’ny Covid-19.

 

Publié dans Tselatra

2 060 ny maty, 58 000 ny tranga vaovao Covid-19 tao anatin’ny 24ora tany Etazonia. Tany amin’ny volana mey 2020 no nisy tranga toy izao, nidangana maherin’ny 2 000 ireo namoy ainy tao anatin’ny iray andro tany an-toerana.

 

Publié dans Tselatra

Misedra olana ny mpiasa sy orinasa Cnapmad (Centre National de Production de Matériel Didactique) manana ny foibeny etsy Ankorondrano. Karama febroary no farany noraisin’izy ireo.

Heno koa izao fa tsy naloan'ny fanjakana ny 950 tapitrisa Ariary nanaovana tonta printy ireo fanadinana tamin’ny taon-dasa 2019.

Nisy mpiasa namoy aina noho ny tsy fisiana satria efa tsy afaka nisitraka fitsaboana tamin’ny Ostie noho ny latsakemboka tsy naloan’ny orinasa.

Publié dans Vaovao

Nindaosin’ny fahafatesana androany, teo amin'ny faha-63 taonany, i Salomon Ravelontsalama, rehefa notsaboina tao amin'ny hopitaly CHU JRB Befelatanana.

Publié dans A la Une

Zandary iray lehiben'ny « Poste fixe » Ankaramibe-Sofia no namelaka tehamaina vehivavy bevohoka ny andron'ny 05 aogositra 2020. Niparitaka tamin’ny tambazotra serasera ny sary sy fanairana mikasika izany.

Voamarina fa nisy tokoa ny tranga hoy ny teo anivon’ny Zandarimariam-pirenena.

« Tamin'ny 03 aogositra 2020 maraina tao Ankaramibe, Distrikan'Analalava, dia nifanena tamin'ny ramatoa iray tsy nanao aro-vava ny Zandary Chef de Poste fixe ao an-toerana. Ka rehefa noteneniny io Ramatoa io mikasika izany dia nanevateva azy. Tsy nahatanty izany ilay zandary ka nitefaka ».

Publié dans Vaovao

Teo amponosana rongony miisa 200 fonosana ireto mpivady ireto no tra-tehaky ny Zandary.

Mpivarotra rongony ao Ampary, Kaominina ambanivohitra iray lalovan’ny lalam-pirenena faha-43, ao amin’ny Distrika Soavinandriana, Faritra Itasy izy ireo, ka maro ny tanora no vatsian'izy ireo an'ity zava-mahadomelina ity, izay isan’ny mampirongatra ny hala-botry sy asan-dahalo amin’iny faritra iny.

Natolotra ny Fitsarana ka notanana vonjy maika ao amin'ny fonjan'i Miarinarivo izy mivady ireo.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Hiova endrika ny Kianja Antanikatsaka etsy Bemasoandro Itaosy – Antananarivo Atsimondrano. Nambaran'ny Filoha Andry Rajoelina, nandritra ny diany teny nanokatra ofisialy ny hetsika « Sosialim-bahoaka » ho an’Atsimondrano, ny alatsinainy 3 aogositra teo, fa efa tsy mendrika ny vanim-potoana ankehitriny intsony io kianja io, sady teo ihany koa no nivoaka ireo kintan'ny baolina kitra Malagasy, dia i Bôlida sy Abel Annicet izay kapitenin'ny Barea.

Nambaran'i Andry Rajoelina teo anoloan'ireo vahoaka maro nihaino azy sy ny Ben'ny tanàna ao Bemasoandro Itaosy ny hanovana ny kianja tany mena ho kianja sentetika manarapenitra.

Nanome toromarika ny Governoran'ny Faritra Analamanga, Hery Rasoamaromaka ny filoha ny amin'ny hanatanterahana izany.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sport

Hiverina an-tsekoly ny tompon'andraikitra sy ny mpianatra amin'ny kilasim-panadinana, na sekoly miankina na tsy miankina, manerana ny Faritra Betsiboka manomboka ny Alatsinainy 10 Aogositra 2020.

Fanapahan-kevitra noraisina teo anivon’ny CRCO Betsiboka (Centre Régional de Commandement Opérationnel) io taorian’ny fiaraha-midinika mba ahafahan'ireo mpianatra manatontosa ny famerenana hiatrehana ny fanadinam-panjakana ôfisialy.

Tsy maintsy hajaina arak’izany ireo “gestes barrières” rehetra ho fiarovana amin’ny fiparitahan’ny valan’aretina.

 

Publié dans Tselatra