Filtrer les éléments par date : samedi, 29 août 2020

Nanamafy ny fitokisany amin’ity teratany Nizeriana ny 100% ny mpifidy, ary dia voafidy fanindroany ho filohan’ny Banky Afrikana momba ny Fampandrosoana i Akinwumi Adesina.

Dimy taona ny fe-potoana iasany amin’izany.

Maro ny tetikasa fampandrosoana vatsian’ny BAD eto Madagasikara. Efa in-droa nitsidika teto i Akinwumi Adesina, ny taona 2016 sy ny taona 2019, nitarika fivoriana iraisam-pirenena ary koa nijery ireo tetikasa vatsian’ny BAD vola.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Economie

Antony ara-pahasalamana, aretin’ny tsinay niotrika tao aminy, izay nambarany tsy ahafahany manatanteraka an-tsakany sy an-davany ny asa aman’andraikiny, no nanapahany hevitra ny hametra-pialana ary nanaovany fialantsiny tamin’ny Vahoaka japoney.

Nanomboka ny taona 2012 i Shinzo Abe no praminisitra tany Japon. Izy no isany naharitra teo amin’io toerana io.
Hanohy ny asany izy mandram-panendry izay handimby toerana azy.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Le spécisme est la vision du monde postulant une hiérarchie entre les espèces animales et, en particulier, la supériorité de l'être humain sur les animaux.

 

Publié dans Fil info

29 août: Journée Internationale contre les essais nucléaires.

 

Publié dans Fil info

Olona maherin'ny 8 000 isan-taona no tonga mila vonjy sy fitsaboana eto:

- Dispansera sy toeram-pitsaboana,
- Ivon-toerana fambolena sy fiompiana,
- ivontoeram-pitaizana tanora lahy sy vavy,
- toeram-pialokalofana mitaiza vatana sy fanahy.

Efa am-polo taonany maro no niasa teto ireto relijiozy Katolika. Tamin'ny taona 1973 no nahazo fankatoavana ara-panjakana ho Tobim-pahasalamana. Mponina maro amin'ireo fokontany ao amin'ireo Kaominina manodidina no misitraka ny asan'ireto relijiozy ireto.

Publié dans Vaovao