Filtrer les éléments par date : jeudi, 20 août 2020

Ireo mpikambana ao amin'ny Governemanta

Publié dans Tselatra

Nasiam-panovana ny mpikambana sasany ao amin’ny Governemanta. Nosoloina ny roa, nofenoina ny toerana banga. Nisy ministera nozaraina roa.

Publié dans A la Une
jeudi, 20 août 2020 14:29

Governemanta: Hasiam-panovana

Hampahafantarina eny amin’ny Lapam-pajakana Iavoloha amin’ny fiafaran’ity tolakandro ity ny Governemanta amin’ny endriny nasiam-panovana sy ireo mpikambana mandrafitra azy.

Araka ny Andininy faha-54 amin’ny Lalampanorenana dia ny filoham-pirenena no manendry ny praiminisitra atolotry ny antoko na vondron’antoko manana ny maro an’iasa eo anivon’ny Antenimieram-pirenena.

Araka ny tolokevitry ny praiminisitra dia ny filoham-pirenena no manendry ny minisitra ary koa mampitsahatra azy amin’ny asany.

Andininy faha-2 amin’ny Lalampanorenana indray manipika mazava fa tsy mahazo mitana andraikitra ambony anaty fiangonana ny lehiben’ny andrimpanjakana sy ny mpikambana anaty governemanta.

Ao amin’ny Andininy faha-64 no milaza fa tsy azo ampirafesina amin’ny asan’ny olomboafidy ny maha mpikambana ao anaty governemanta.

 

Publié dans Tselatra

Namoaka didy ny filohan'ny Korea avaratra, Kim Jong-Un, nanombaka ny volana jolay teo, fa voarara ny miompy alika ho namana an-trano, fa na amidy amin'ny mpanao sakafo, na aterina any amin'ny Zoo mpanjakana.

Ny fiompiana alika hoy hatrany Kim Jong-Un dia fanarahana ambokony ny fomban'ireo mpanambony saranga tandrefana.
Efa mitily ireo trano mbola miompy alika ny fitondrana koreanina avaratra, ka tereny vonoina ny alika, na ho entiny ankitsirano.

Ankehitriny moa dia tratran'ny fairano amerikanina i Korea avaratra, ka 60% n'ny mponina dia tsy ampy sakafo, raha ny tatitry ny firenena mikambana, ka ahian'ireo tompon'alika fa entina amahana olana amin'ny tsy fanjarian-tsakafo izao fanapahan-kevitra izao.

Ny alika moa any Korea avaratra dia anisan'ny sakafo mafilotra ho anin'izy ireo.
Mampiaka-peo ireo mpiaro ny biby maneran-tany.

 

 

Publié dans Tselatra

Fanontaniana mipetraka hatrany izy io, atao inona ny fanadinana CEPE, izany hoe ny diploma ho an'ny mpianatra T5, zaza 8-10 taona eo.

Raha mijanona eo ve ny ankizy tsy mianatra, dia misy mpampiasa hitaky ny diploma CEPE, aiza no akana izany diploma izany, misy tahiry amin'izany ve ny eo amin'ny sampan-draharahan'ny fampianarana fototra?

Ny Lalampanorenana dia mazava tsara:

Andininy 23.- Manan-jo hianatra sy handray fanabeazana ny ankizy tsirairay avy ka tompon’andraikitra amin’izany ny ray aman-dreny ka hajaina ny fahalalahana hisafidy ananany.
Ny Fanjakana dia mandray ho adidy ny fampivoarana ny fanofanana arak’asa.

Publié dans Editorial