Filtrer les éléments par date : lundi, 10 août 2020

Fiara Sprinter miisa roa sy minibus Toyota iray no tra-tehaky ny zandary nitatitra olona an-tsokosoko androany maraina teny amin’ny lalan’i Talatamaty sy Ivato, Distrika Ambohidratrimo.

Samy nametaka takelaka « Transport de personnel » amin’ny anarana orinasa tsy miankina iray eny Ivato eny ireo fiara ireo, teo amin’ny fitaratra anoloana, ho « laisser-passer » hahafahany mandeha.

Hosoka anefa, rehefa nohamarinin’ny zandary, ilay taratasy nampiasain’ireo fiara ireo hitaterana olona. Samy nitondra mpandeha 32 avy ireo Sprinter, raha toa ka 15 no nentin’ilay minibus Toyota.

Notazomina 48ora atao famotorana eny amin’ny kaompanian’ny zandary Ambohidratrimo ireo mpamily telo lahy, nalefa any ambalampamonjana fiara kosa ny fiara nentin’izy ireo avy.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao

Fianakaviana 100 mahery no miaka-midina eny amin’ny Kaominina, mitaky ny anjara « Tosika Fameno » tokony sitrahan’izy ireo.

Nahazo hafatra tamin’ny finday isanisany avy izy ireo, milaza ny laharana sy ny toerana handraisana ny vola 100 000 Ariary « Tosika Fameno ». Niveri-maina anefa rehefa nandeha tany amin’ny toerana voatondro hakana ny vola, fa hoe : tsy misy vola ho an’izany ao.

Efa tapa-bolana lasa io, ary nanomboka teo mandrak’ity ny androany ny fandrirarirana sy ny famezivezena ary ny fangalampiery amin’ireo tomponandraikitra mikaraka ny « Tosika Fameno » aty Moramanga amin’ireo fianakaviana ireo.

Hatramin’ity androany ity, tsy mbola nahazo ny « Tosika Fameno » ireo fianakaviana ireo. « Tsy hipetra-potsiny amin’izao izahay, ary tsy hamelanay raha tsy azo ny anjaranay », hoy izy ireo.

 

Publié dans Tselatra

Bolabola « palissandre » miisa 385 no nogiazana tao amin’ny Port Mahajanga hatramin’ny 2010, fotoanan’ny tetezamita.

Nirehitra tao amin’ny toerana nanagiazana ny alin’ny talata hifoha ny alarobia 5 aogositra, tokony ho tamin’ny 2ora maraina, ny 137 tamin’ireo, azo navotana kosa ny 248.

Nanokatra fanadihadiana mikasika ity raharaha ity ny Zandary avy ao amin’ny birigadin’ny Port Mahajanga.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Ok hanao kajy kely isika

Raha orinasa salama, dia toy izao ny fitsinjarana ny vola ao anatin'ny Orinasa

Volamaty na Chiffre d'affaire = 100
Karama mpiasa - salaire = 30%
Fampandehanan-draharaha na charge fixe = 30%
Filana amin'ny akora ahodina na matière première = 30%
Hetram-panjakana sy banky = Impôt et charge financière = 5%
Tombom-barotra na bénéfice = 5%

Publié dans Editorial
lundi, 10 août 2020 16:11

Mananjary: Mijaly rano

Misedra olana amin’ny rano efa herinandro mahery izao ny mponina eto Mananjary tampontanàna.

Sahirana ny vahoaka mila rano, indrindra amin'izao ady ara-pahasalamana izay ilaina fahadiovana izao.

 

Publié dans Tselatra

Nohamafisin’ny filoha Andry Rajoelina nandritra ny fandaharana manokana tao amin’ny Televiziona Malagasy omaly fa hisokatra amin'ny fiandohan’ny volana oktobra ny fizahantany ao Nosy Be. Afaka mandray vahiny ity tanànan’ny fizahantany ity, saingy voarara ho azy ireo kosa ny mivoaka an’io faritra io.

Miomana amin'ny fomba hanaovana ny fanentanana amin'io hisokafan'ny zotram-piaramanidina hampifandray an'i Nosy Be amin'ny any ivelany ny mpiasan’ny serasera ao an-toerana ny zoma lasa teo, mampiray feo sy hiaraka hanao fanentanana mba hahalalan’ny mponina ny zava-misy sy ny tokony hatao.

 

Publié dans Economie

Na dia anaty hamehana ara-pahasalamana aza dia miroso ireo tetikasam-pampandrosoana maroloko, na ireo tanterahin'ny Fitondram-panjakana mivantana amin'ny alalan'ireo "projets Présidentiels", na ny tanterahin'ireo Departemantan'ny Minisitera samihafa, na koa ny tanterahin'ny ekipa tarihin'ny Governora RAFIDISON Richard Théodore amin'ny volan'ny Faritra madiodio.

1. Anisan'ny zava-bita tatoato: Lycée Technique ao Brickaville; BAC ao Andavakimena; manomboka mamokatra siramamy ny orin'asa SIRAMA ao Maromamy; fotodrafitr'asa fanamboarana siramamy gasy ao Vohitranivona; biraon'ny Kaominina Ranomafana; maro ireo zava-bita sy fampivondronana notanterahin'ireo "Projets-Programmes" toy ny PROSPERER, FORMAPROD, CASEF teo amin'ny sehatry ny fambolena sy fiompiana ary fananan-tany, efa miasa ary voafefy tsara ny tsena lehibe...

Publié dans Economie

Miandraikitra ny Boriboritany fahatelo eto Antananarivo Renivohitra ny avy eto anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny fametrahana ny lamina vaovao hitsinjarana ny « Vatsy tsinjo », fanampiana avy amin’ny fanjakana ho an’ireo marefo ara-pivelomana hiatrehan’izy ireo ny fihibohana anatin’ny fahamehana ara-pahasalamana.

Tokantrano miisa 12 177 no anaovana fanadihadiana ao anatin’ny 03 andro, ary mpanao fanadihadiana miisa 57 avy amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka miampy mpanentana ara-pahasalamana 57 isa no misahana izany.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Voadona mafy ny sehatry ny fizahantany tao Zimbabwe noho ny valanaretina coronavirus. Hanokana 500 tapitrisa dolara ny fanjakana ao an-toerana hanohanana io lalampihariana iray io.

Isany mampalaza sy misarika mpizahatany any Zimbabwe ny « Chutes Victoria ».

 

Publié dans Economie

Les concentrateurs d'oxygène importés par l'État Malagasy pour renforcer la lutte contre la pandémie du coronavirus sont arrivés ce dimanche 09 août 2020 à l'Aéroport de la BANI Ivato.

563 cartons contenant des concentrateurs d'oxygène et des lunettes nasales à oxygène ont été réceptionnés.

Publié dans Sociale
Page 1 sur 2