Filtrer les éléments par date : lundi, 30 mars 2020

Nifampitaona teo anoloan’ny Lapan’ny tanànan’i Mahajanga ireo mpitondra Bajaj eto an-drenivohitry ny Faritra Boeny, androany maraina. Raha ny filazan’izy ireo dia tsy mety amin’izy ireo satria tsy mahatratra « versement », ny fampiharana ny didim-pitondrana monisipaly mahakasika ny fitaterana navoakan’ny Kaominina Mahajanga, nametra ny isan’ny olona azon’ny mpanao fitateram-bahoaka entina, ho fisorohana ny fihanaky ny valanaretina coronavirus eto Madagasikara.

 

Publié dans Tselatra

Andian-Jiolahy saika hanafika "Villa" iray tetsy Ambatoroka no nifanehatra tamin'ny Polisin'ny USI (Unité Spéciale d'Intervention) ny Alahady 29 marsa 2020 alina. Lavon'ny balan'ny Polisy ny jiolahy 01 izay mbola nahitana bala sy basy vita gasy teny aminy raha tafaporitsaka kosa ny namany.

Jiolahy isan'ireo nifampitifitra tamin'ireo Polisy tetsy Antsahabe io jiolahy io ka izao nifanehitra tamin'ny mpitandro ny filaminana izao indray, hoy ny avy amin’ny Polisim-pirenena.

Voasoroka ihany koa ny vaky trano nitranga tetsy Andohatapenaka, io alahady alina io, rehefa tonga ara-potoana teny an-toerana ny Polisin'ny Boriborintany fahafito.

 

Publié dans Tselatra

Nanao fanambarana ny fiadidiana ny tanan’Antsirabe fa hanadio sy handraraka fanafody ao amin’ny tsenan’Asabotsy sy ao Antsenakely ny marainan’ny talata 31 marsa 2020, ho fisorohana ny fihanaky ny tsimokaretina coronavirus.

Toerana isany voatonon’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, ny alin’ny sabotsy 28 marsa 2020, fa nandalovan’ilay mpizahatany vahiny voamarina fa mararin’ity tsimokaretina coronavirus ity ny tsenan’Asabotsy Antsirabe.

 

Publié dans Tselatra

Nanokatra ny toeram-pivarotany, sady manentana ny mpisotro toaka tao aminy, hanohitra ny asan'ny mpitandro filaminana, nosamborin'ny Polisy ny tompon’ilay trano fisotroan-toaka iray tetsy 67ha ary nakatona ilay toeram-pivarotana.

Noravan'ny Polisy ihany koa ireo tanora milalao eraky ny araben ' Ankazomanga izay manao baolina sy milalao roller ka nogiazana avokoa ny kilalaon'izy ireo tsy hahafahany manao izany intsony, hisorohana ny fihanaky ny valanaretina coronavirus.

 

 

Publié dans Vaovao

Nanomboka teny Morarano ny fifamoriana, dia nilanja sorabaventy niazo nanoloana ny Lapan’ny tanàna ireo mpitarika posy sy mpitondra tuc tuc androany maraina.

Nisy saika hanararaotra hiakatra Bazary Kely handrava magazay fa hoe matin'ny hanohanana noho ny tsy fahafahana miasa ho fanajana ny fepetra amin’ny fahamehana ara-pahasalamana ka tsy ahafahan’ireo mpitatitra olona miasa, eto Antananarivo sy Toamasina.

Naparitaky ny mpitandro ny filaminana izy ireo, ary efa tony ny toe-draharaha taorian’izay.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Mijanona ho 43 ireo olona voamarina fa mitondra ny tsimokaretina coronavirus. Hopitaly telo no andraisana an-tanana azy ireo, dia ny CHU Joseph Raseta Befelatanana, CHU Anosiala ary CHU Andoahatapenaka.

Tsy misy soritraretina ny 32 amin’ireo, ny 6 misy soritr'aretina tsy dia sarotra, ny 5 no sempotra nilàna fampiasana oksizena, araka ny tatitra nataon’ny Pr Vololontiana Hanta, mpitondratenin’ny Foibem-pibaikoana momba ny Covid-19.

 

Publié dans Tselatra

Vory olona ny manodidina Lapan’ny tanàna Analakely-Antananarivo hatry ny maraina teo, miandry ny fizarana fanampiana ho an’ireo marefo ara-pivelomana, anisany ireo mpamily taxi sy taxibe ary resevera, izay efa natomboka ny faran’ny herinandro teo ny fizarana.

Misy mpivarotra amoron-dalana manoko entana manararaotra ny havorivoriana, na eo aza ny fanentanana atao dia ny fihibohana an-trano sy ny hanajana ny elanelana 1m raha misy antony tsy maintsy ivoahana ny trano, hisorohana ny fihanaky ny valanaretina coronavirus.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Mpangalatra nifanenjehan’ny Fokonolona izy ity, ary niharan’ny fitsaram-bahoaka avy hatrany rehefa voasambotra. Namoy ny ainy noho ny fahaverezandra be loatra ilay lehilahy. Tonga ny mpitandro filaminana rehefa nahazo fampilazana, saingy efa tsy nisy azo natao intsony.

Tao amin’ny Fokontany Ankiririky Avaratra II, Antsohihy no nisehoan’ity tranga ity androany alatsinaina 30 martsa 2020 vao maraimbe tokony ho tamin'ny 03 ora.

 

Publié dans Vaovao

Nosy Maorisy: 110 mitondra otrikaretina coronavirus, 3 namoy ny ainy.

 

Publié dans Tselatra

30 mars: Journée Mondiale des troubles bipolaires.

 

Publié dans Fil info
Page 1 sur 2