Filtrer les éléments par date : dimanche, 29 mars 2020

Manamafy ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy fa mikatona ho an’ny asa fizahantany tsy an-kanavaka ny faritra Arovana rehetra eto Madagasikara nanomboka ny 23 Martsa 2020. Hanamafisana ny ady amin’ny valan’aretina coronavirus, izay noraiketin’ny Didim-panjakana laharana faha-2020-359 nankatoavin’ny Filankevitry ny Ministra ny 20 Martsa 2020 lasa teo, no antony.

 

Publié dans Economie

Nanao ezaka lehibe ny governoran’i Lagos any Nizeria nampian’ny sehatra tsy miankina ao an-toerana, ho fiomanana sy fandraisana an-tanana ireo olona mitondra tsimokaretina coronavirus.

Nanomana toerana manokana ho vonjy aina, ao amina kianja baolina kitra iray ao Lagos izy ireo. Efa vonona ny fampitaovana io hopitaly vonjimaika io, ahitana fandriana afaka andraisana marary 110.

Efa nanomana fanampiana ara-tsakafo ho vonjy aina sahaza fianakaviana 200 000 ahitana olona enina isany mandritra ny 14 andro ihany koa ny faritanin’i Lagos.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Daniel Bevilacqua no tena anarany, Christophe no ahafantarana azy eo amin’ny sehatry ny hira. Hatramin’ny Malagasy isany mankafy ny sanganasany toy ny « Succès Fou », « Aline »…

74 taona izao i Christophe. Voan’ny tsimokaretina coronavirus ity, ary nampidirina hopitaly haingana androany ao Paris.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Art et Culture

Coronavirus: Maneho firaisankina amin’ny naman’izy ireo tratr’ity tsimokaretina ity ny Federasiona Nasionalin’ny Mpiseradia (guides)

 

Publié dans Tselatra

Taorian’ny fifampikasohany tamina lehilahy iray, teratany Maorisiana, 72 taona, avy any amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo (RDC) ny 14 marsa ka tonga ao Addi Abeba, misy ny foiben’ny Vaomiera Afrikana nefa mitondra tsimokaretina coronavirus dia natokam-ponenana avy hatrany i Moussa Faki, filohan’ny Vaomiera Afrikana.

Nisy olona enina efa nifampikasoka tamin’ity teratany maorisiana ity hatramin’ny nahatongavany ary efa samy arahi-maso ara-pahasalamana avokoa amin’izao.

Firenena miisa 46 amin’ny 54 aty Afrika no efa ahitana ity valanaretina coronavirus, ka 3 924 no voamarina mitondra ny tsimokaretina, ary efa namoizana ain’olona 117 araka ny tatitra nataon’ny « Centre pour la prévention et le contrôle des maladies de l’Union africaine » ny omaly sabotsy 28 marsa 2020.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Iray amin’ireo hotely niantranoan’ilay vazaha mpizahatany voan’ny coronavirus, araka ny nambaran’ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, ny alin’ny 28 marsa 2020 ny Hôtel Royal Palace Antsirabe.

Ny 14 marsa 2020 no niantrano tao ireo andiana mpizahatany niaraka tamin’io vazaha io, hoy ny fanambarana nataon’ny hotely taorian’ny fanambaran’ny filoha io 28 marsa 2020 io. Tsy ahitana soritr’aretina ny mpiasa, hatreto, hoy ny mpitantana ny hotely, na izany aza naka fanapahan-kevitra ka hikatona vonjimaika tsy handray mpanjifa aloha ny hotely. Hatao ny famendrahana fanafody hiadiana amin’ny otrikaretina.

Publié dans Vaovao

La commémoration de la 73ème année de la lutte pour la libération du 29 mars 1947 s’est déroulée en toute simplicité. Pour des raisons sanitaires liées au Coronavirus, aucune célébration majeure n’a été organisée dans le pays.

En signe d’hommage aux martyrs de cette lutte historique, le Président Andry Rajoelina était au Mausolée sis à Avaratr’Ambohitsaina pour la traditionnelle cérémonie de dépôt de gerbe de fleurs. Le Chef de l’État était entouré de quelques représentants des autorités militaires pour cette occasion.

(Voir Suite Photo)

Publié dans Fil info

Mpianatry ny oniversite sy mpandeha miisa 253, nentin’ny sambo Mélissa Expresse avy any Toamasina, no tonga eto Maroantsetra omaly 28 marsa 2020. Natokam-ponenana ao amin'ny CRINFP (Centre Régional de l'Institut National de Formation Pédagogique) Maroantsetra avy hatrany izy ireo na efa nisy aza ny fakana ny maripanan’ny tsirairay teo ampaha-tongavana.

Nifanome tanana ny solontenam-panjakana sy ny mpandraharaha eto an-toerana nanolotra vatsy ho azy ireo hiatrehana io fitokanam-ponenana, hanaovana fanaraha-maso ara-pahasalamana azy ireo io.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Isan’ireo sokajy marefo eny anivon’ny fiarahamonina ireo fianakaviana sahirana sy ireo manao velontena nefa voatery miato noho ny fepetra fahamehana ara-pahasalamana.

Ao Toamasina dia manodidina ny 420 eo ireo 4'Mi, 1 220 ny isan'ny mpivarotena mivondrona anatina fikambanana efatra, 1 911 ny mpitondra tuc-tuc, ary manodidina ny 9 100 ireo mpitondra posy ara-dalana raha 25 000 eo ireo tsy mpandoa hetra amin’ny Kaominina Toamasina.

 

Publié dans Sociale

Manome tanana ireo "interne en médecine" amin’ny fiatrehana sy fisorohana ny fiparitahan’ny valan’aretina coronavirus eto Madagasikara. Niditra an-tsehatra avy hatrany tamin’ny fanaraha-maso sy fitiliana ireo mpandeha tamin’ireo sidina avy any ivelany, izay natokamonina any amin’ireo hotely sy hopitaly ary any an-tranony, izy ireo taorian’ny toromarika sy ny fampitaovana azy ireo.

Isany fitaovana ampiasain’izy ireo amin’ny fitiliana sy fizaham-pahasalamana ireo fanaovana « test rapide » vao tonga, ary efa nojeren’ireo siantifika Malagasy ka azo ampiasaina sy ampiharina tsara.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale
Page 1 sur 2