Faritra ATSINANANA: Fametrahana « PEPINIERE AGRICOLE » isaky ny Distrika

  • lundi, 17 août 2020 13:51
  • Sary nomena

Fanambin’ny ekipan’ny Governora RAFIDISON Richard Théodore ny hametrahana « PEPINIERE AGRICOLE » isaky ny Distrika manerana ny Faritra Atsinanana. Ilaina tokoa mantsy izany amin’ny fanamby lehibe hanaparitaka voly avotra sy voly fanondrana isan-karazany sy hampitomboana ny velaran-tany voavoly.

Manomboka tsikelikely izany, ny DRAEP Atsinanana sy ny Sampana isaky ny Distrika koa moa efa nanomboka izany rahateo.

Hita izany:

- Ao Brickaville, manomboka izany ka zanaka akondro an-jatony no efa mitsiry, an’aliny maro no tanjona ;
- Ao Niarovana-Caroline (Vatomandry), zanaka kafe 6 000 efa vita, sy jiroso ary cannelle.

Ny fanambin’Andriamatoa Governora, dia ny hametrahana « pépinière » toy izao isaky ny Distrika sy ny Kaominina tsirairay.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.