Famarotana entana azo hanina: Mila fahazoan-dalana avokoa
- mercredi, 12 août 2020 16:17
Namoaka naoty fampatsiahivana ireo lalàna misy ny ministeran'ny indostria, ny varotra ary ny asa tanana, tamin'ny 10 aogositra 2020, fa ireo mpanafatra entana azo hanina, na ireo mpamokatra eto an-toerana dia tsy mahazo mivarotra ireo entana azo hanina raha tsy nahazo fahazoan-dalana avy amin'ny sampan-draharahan'ny ministeran'ny varotra eny anivon'ny Faritra isan-tokony.
Voakasik'izany ihany koa ireo mpampongady sy mpanelanelana izay raisina ho tompon'antoka ihany koa raha mivarotra entana azo hanina tsy nahazoana fahazoan-dalana mialoha.
Ireo entana rehetra azo hanina tsy manana izay fahazoan-dalana hamidy izay dia giazina avy hatrany, ary esorina eny amin'ny tsena.
Dans la même catégorie
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
Le code HTML n'est pas autorisé.