Tohana ho an’ny fizahantany: Tena adino tanteraka i Ranohira Isalo
- mardi, 11 août 2020 19:09
- Sary nindramina
Toerana manana ny lazany amin’ny fizahantany eto Madagasikara i Isalo, ao amin’ny Kaominina Ranohira, Faritra Ihorombe. Toerana faharoa mahasarika mpizahatany betsaka aorian’i Nosy-Be izy.
Voadona mafy tao anatin’izao fahamehana ara-pahasalamana noho ny valanaretina coronavirus izao ny fizahantany ao Isalo. Mahatsiaro tena adino tanteraka ity faritra ity sy ireo mpisehatra ara-pizahantany ao an-toerana.
Tsy mba misitraka fanampiana, tsy misy resaka ny amin’ny hamerenana ny fizahantany ao an-toerana, nefa io no isany tena iankinan’ny fiveloman’ny mponina ao an-toerana.
Mangataka ireo mpandraharaha ao Ranohira Isalo ny amin’ny tokony hanokafana ny fizahantany tahaka ao Nosy-Be, manomboka ny volana oktobra.
Manamafy ny fangatahan’ny mpandraharaha ara-pizahantany any Isalo io, ny solombavam-bahoaka voafidy tao Ihosy, Rakotomamonjy Neypatraiky André.
Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
http://www.sobikamada.com/index.php/economie/item/24189-tohana-ho-an%E2%80%99ny-fizahantany-tena-adino-tanteraka-i-ranohira-isalo.html#sigProGalleria9c9de1cc27
Dans la même catégorie
Article précédent

Article suivant

Laissez un commentaire
Le code HTML n'est pas autorisé.