Antenimieram-pirenena: Tonga nitaraina tamin’ireo Solombavambahoaka ny mpiasan’ny orinasa SOFITRANS

  • jeudi, 12 mars 2020 13:09
  • Sary nindramina

Nandray ny solotenan’ny mpiasan’ny SOFITRANS ny Filohan’ny vaomieran’ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Rajoelina Seth sy ireo solombavambahoaka vitsivitsy anatin’ny vaomiera eo anivon’ny Antenimieram-pirenena ny Alarobia 11 martsa 2020 teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza.

Mitaraina mikasika ny fitantanana eo anivon’ny Ravinala Airports sy ny SOFITRANS ireo mpiasa. Tao aorian’ny dinika nifanaovana dia nanambara ny Solombavambahoaka fa vonona hanampy azy ireo amin’ny fitadiavana vahaolana haingana ka hiresaka amin’ny ministera tompon’andraikitra momba ny fanakatonana amin’ny ampahany ny asan’ny orinasa (Duty free).

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.