CENI: Nametram-pialana ny filoha lefitra Thierry Rakotonarivo

  • jeudi, 12 mars 2020 12:09
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Taorian'ny namerenan'ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorena any amin'ny CENI ny fampiharana ny fitsipika anatiny amin'ny mety fanesorana ny mambra iray ao aminy, dia nametram-pialana ny filoha lefitry ny CENI, Thierry Rakotonarivo, ary neken'ireo mpikambana ao izany fametraham-pialana izany.

Nangataka amin'ny HCC ny fanamarinana ny fahabagan-toerana ny CENI, mba ahafahan'ny Antenimieram-pirenena manolo izay solotenany eo anivon'ity Vaomera mahaleo tena momba ny fifidianana ity.

Nanamafy ny filohan'ny CENI RAKOTOMANANA Yves Herinirina, fa tsy misy zavatra hafenina ny momba io resaka kara-panondro io, fa zavatra efa niandrona sy nitombo tao hatrany io, ary efa nomarihina tamin'ny tatitra maro efa natao ny fisian'izany tsy fahatomombanana izany, "fa misy ireo tsy mahalala fa miseho mahalala, ary misy kosa ny mahalala fa mody tsy mahalala".

Ny antony nahatonga ny CENI avy hatrany naka ny fanapahan-kevitry ny HCC ny anesorana ny filoha lefiny, hoy hatrany ity filohan'ny CENI ity, dia noho ny ankamehana, satria tsy fotoana tokony nilazana ilay vaovao no niteraka fikorotanana teto amin'ny firenena no nataon'i Thierry Rakotonarivo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.