Sambava: Tsenabe lavanila iarahana amin’ny Fairetrade Africa

  • vendredi, 19 octobre 2018 18:28
  • Sary Gasypatriote Sambava

Nosokafana ny alarobia 17 oktobra 2018 ity tsenabe lavanila izay andraisan’ireo fikambanana tantsaha na koperativa izay mamokatra vokatra maro samihafa toy ny kafe, cacao, lodsia, indrindra ny lavanila avy eto Madagasikara izay miara-miasa amin’ny Fairtrade Africa.

Natao izao tsenabe izao dia mba hivondronan’ireo fikambanana sy ny koperativa ireo mba hizara traikefa eo amin’ny fahaizamanao ny fambolena amin’ny famokarana lavanila indrindra, ary amin’ity ihany koa dia fotoana iray hahafahin’izy ireo mihaona mivantana amin’ireo vahiny izay mpanafatra ity vokatra ity avy aty amintsika.

Nitaraina kosa ireo tantsaha mpamokatra lavanila fa mahatsiaro natao ambanin-javatra ihany nefa lazaina fa ny lavanila anisany mampidi-bola betsaka ho an'ny Fanjakana.

Dr Nyagoy Nyong’o no nitarika ny delegasionan'ny Fairtrade Africa miatrika izao tsenabe izao, izay atao anatin'ny telo andro.

Nilaza i Sabotsy Samuel, Sekretera jeneralin'ny Faritra SAVA, fa ny fanjakana dia manara-maso ny fampandehanana ity vokatra lavanila ity satria izy no fanalahidin'ny fampandrosoana ato amin’ny Faritra SAVA sy manerana an'i Madagasikara, ary isika SAVA no mpamokatra azy voalohany eto Madagasikara.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.