Vangaindrano : Tafakatra 14.000 Ariary izao ny kilaon’ny jirofo

  • lundi, 02 octobre 2017 13:05

Nisokatra ny 20 septambra teo ny taom-piotazana jirofo aty Atsimo Atsinanana. Tsara ny vokatra tamin’ity, na dia efa toy izany aza ny tamin’ny taon-dasa. Mahazatra ny tantsaha aty an-toerana mantsy, dia tsy misesy fa isaky ny roa taona eo no ahazoana vokatra toy izao ny jirofo aty amin’ity faritra ity.

11.000 Ariary ny kilaon’ny jirofo tamin’ny andro nisokafan’ny tsena. Tafakatra 14.000 Ariary izy amin’izao, ary mety mbola hihoatra lavatra an’izany, satria mbola any amin’ny fiandohan’ny taona, na volana febroary any vao mifarana ny taom-piotazana.

Ifandrombahan’ny Sinoa sy ireo mpandraharaha avy any Mananara Avaratra, Faritra Analanjirofo ny jirofo aty Vangaindrano, na ny vokatra avy any Farafangana aza entin’ny olona amidy aty, ary izay no mampiakatra ny vidiny, manaraka ny tolotra sy ny tinady.

Kaominina telo dia Manambondro, Matanga ary Masianaka no tena ahitana io jirofo io aty Vangaindrano, ary ifanotofan’ireo mpanangom-bokatra amin’izao.

Isan-taona dia manodidina ny 3000 taonina eo ny vokatra jirofo nanaovan’ny mpandraharaha fanambarana, nandoavana tamberimbidy. Mihoatra lavitra an’izay anefa ny tena vokatra aty amin'ny faritra aty.

 

Commentaires (110)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.