Economie

    • dimanche, 13 octobre 2019 20:08

    Olan’ny famatsian-drano eto Antananarivo: Matsaka eny an-drenirano hatramin’ny « Zone Franche »

    Mizaka ny olana amin’ny famatsian-drano ihany koa ireo orinasa afakaba (Zone Franche) eto an-drenivohitra, indrindra ireo miasa amin’ny sehatry ny « textile », mamokatra akanjo. Fotoana mahabetsaka ny kaomandy izao, ary nampiditra mpiasa ny ankamaroan’ireo « Zone Franche » hanenjehana izany ara-potoana. Voatery matsaka eny anan-drenirano ny « Zone Franche » sasany amin’ny fanatanterahana ny asa, ao koa ireo orinasa mamokatra jiro ho azy manokana noho ny halafosan’ny herinaratry ny Jirama, nefa matetika tapaka. Vao mitsidika anefa ity ny vanimpotoana maintany.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 13 octobre 2019 15:57
    • Sary nindramina

    JIRAMA: Nampahafantarina ny tondrozotra hanarenana ny orinasa

    Eo ampiandrasana ny fanendrena izay ho Tale jeneraly vaovaon’ny Jirama, toerana izay banga nanomboka ny 14 aogositra 2019, dia nanapa-kevitra ny hampahafantatra ny tondrozotra hanarenana ny orinasa ny filankevim-pitantanan'ny JIRAMA, tamin’ny alalan’ny Filohany Andriamanampisoa Rasamoelina Solo. Mifototra amin’ny teboka maromaro ny tondrozotra, araka ny fampahafantarana natao ny sabotsy 12 oktobra 2019, nanoloana ny solontenan’ireo mpiara-miombon'antoka amin'ny JIRAMA, ny mpandraharaha, ny Fiaraha-monim-pirenena ary ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa. Eto ny fanatsarana ny fitantanana ho matianina ; ny fahaiza-mitantana sy fahafehezana ny famatsiana solika hampihena ny fandaniana. Eo koa ny fanatsarana ny vokatra amin'ny alalan'ny fanenana ny fatiantoka ara-teknika sy tsy ara-teknika hampiakarana ny tahan'ny fampidiram-bola.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 10 octobre 2019 21:36
    • Sary Gasypatriote Morondava

    Fiompiana tantely: Tonga mizara traikefa aty Menabe ry zareo Kenyana

    Mpampiofana efatra mianadahy avy any Nairobi Kenya no tonga mizara traikefa amin’ireo mpiompy tantely avy amin’ny Distrikan’i Morondava, Mahabo, Miandrivazo ary Belo Tsiribihina nanomboka ny alarobia 9 oktobra 2019. Anofanana azy ireo ny fomba fiompiana tantely manarapenitra sy ny fiompiana tantely miaro ny tontolo iaina ary fomba fanodinana ny tantely. Hitohy hatramin'ny alahady ny fiofanana. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 10 octobre 2019 20:35
    • Sary nomena

    Lalampihariana lavanila: Zary sehatra fikotrehana kolikoly ny fanomezana “Agrément d'exportateur de vanille”

    Fitaintainana hatrany no mahazo ny mpandraharaha isan-taona amin’ny fotoana fanaovana ny fangatahana ahazoana « Agrément d'exportateur de vanille » satria na mahafeno fepetra tahaky ny inona aza, mety tsy ahazo, ary tsy azo ivalozana ny lisitra avoakan'ny ministera. Didim-pitondrana iraisan’ny ministera (Arrêté interministériel) no mitanisa ireo fepetra rehetra takiana amin'ny fahazoana ny « Agrément d'exportateur de vanille » ary tena mazava ireo fepetra ireo ka tokony na mahatanteraka azy rehetra ka mahazo, na misy tsy tanteraka ka tokony tsy ahazo.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 09 octobre 2019 08:03
    • Sary nomena

    Mananara Nord: Tsara ny vokatra lavanila fa tsy mahita lalana ny mpamboly

    Tsara ny vokatra lavanila tamin'ity taom-piotazana 2019 ity, nefa mijaly ireo mpamboly satria araraotin'ireo mpanangom-bokatra, vidiany mora ny lavanila noho ny aratsian'ny lalana. Amin'ny alalan'ny fiaramanidina no akan'izy ireo ny vokatra. Tafakatra 1 200 000 ariary izao ny kilao amin'ny lavanila efa masaka, azo ahondrana any ivelany.Maro ny mitady lalana hamarotana ireo vokatra efa vonona, misy koa ireo tanora te hisehatra amin'ny fanamboarana "essence de vanille", fa tsy mahita ny lalam-bola sy ny tekinika anaovana izany. Lavanila maitso 5-6 kg eo no mahavita lavanila 1kg masaka, ampiasaina hakana "parfum" sy atao amin'ny sakafo, eo amin'ny 220 000 ariary ny kilaon'ny lavanila maitso .  
    Lire la suite ...
    • lundi, 07 octobre 2019 19:46
    • Photos fournies

    Opportunités d’affaires: Une délégation du MEDEF mise au parfum

    Une délégation du Mouvement des Entreprises de France ou MEDEF, conduite par Momar Nguer, nouveau Président du Comité Afrique de MEDEF International, a assisté à une réunion présidée par le Premier ministre, Chef du gouvernement, et Ministre des Affaires Etrangères par intérim, Christian Ntsay, en présence de l’Ambassadeur de France à Madagascar, Christophe Bouchard, et de quelques membres du gouvernement. La réunion qui s’est tenue au ministère des Affaires étrangères Anosy, a eu pour objectif de connaitre l’ensemble des opportunités d’affaires à Madagascar. Ainsi les membres du gouvernement y ont présenté les ouvertures de leurs ministères respectifs à toutes opportunités de partenariat en la matière.
    Lire la suite ...
    • samedi, 05 octobre 2019 10:49
    • Sary nindramina

    Paraky – OFMATA: Mampidi-bola 300 miliara Ariary isan-taona amin’ny Fanjakana

    Tantsaha miisa telo alina no mivelona sy misehatra ao anatin’ny famokarana paraky eto Madagasikara, miara-miasa amin’ny OFMATA (Office Malgache des Tabacs ). Ambalavao no faritra mpamokatra paraky voalohany, ary mahatratra 2 000 taonina isan-taona eo ho eo ny vokatra eto Madagasikara. Orinasam-panjakana eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono ny OFMATA. 50 taona nisiana ny orinasa, manana ny foiben-toerany etsy Antanimena - Antananarivo. Mampidi-bola manodidina ny 300 miliara Ariary isan-taona ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana ny OFMATA.  (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 03 octobre 2019 08:12

    Solika ho an'ny Jirama: Tolobidy iraisam-pirenena no hanatanterahana ny fanafarana

    Ao anatin'ny mangarahara tanteraka no hanatontosana ny tolobidy momba ny fanafaran'ny JIRAMA solika, araka ny fanambarana navoakan'ny Ministeran'ny Angovo, ny Rano sy ny Akoranafo. Tolobidy iraisam-pirenena no hanatanterahana izany, hoy hatrany ny fanambarana. Tafiditra ao anatin'ny drafitra fanarenana ny orinasam-panjakana JIRAMA izao fepetra izao. Nandritra ny filankevitry ny minisitra tamin'ny 11 septambra 2019 no nanomezana alalana an'ny JIRAMA hividy avy hatrany, tsy mandalo tsenam-barotra ny solika ampiasainy. Ny fepetra dia mila ampahafantarina mialoha ny Filoham-pirenena sy ny lehiben’ny governemanta ny fanatanterahana izany, izay ao anatin’ny fotoana voafetra ihany.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 30 septembre 2019 11:49
    • Photo illustration

    La filière vanille et son impact socio-économique dans les zones productrices de Madagascar

    Courrier du lecteur La filière vanille et son impact socio-économique dans les zones productrices de Madagascar La vanille, parmi les rares produits au monde, qui fait de la grande île une renommée mondiale. Cela est à la fois en termes de quantité et de qualité du produit. Plus précisément, la production de Madagascar est estimée à 82% de la demande mondiale de ce précieux épice, soit une production qui avoisine les 1 500 tonnes de vanille exportable par an. Depuis un certains moments, l’arôme de la vanille est devenu un produit de luxe fortement convoité, elle occupe la deuxième place de l’épice la plus chère au monde après le safran. L’année 2013 a marqué le début de marathon du flambé de cours mondial de la vanille. Le prix du kilogramme a passé de 50 dollars en 2013 jusqu’à 600 dollars en 2018. L’exportation de cette épice occupe une place majestueuse dans l’économie de Madagascar, car elle représente les 5 % de son PIB en 2018.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 29 septembre 2019 11:23

    Toliara: Mitaraina ireo mpandraharaha fa tsy misy tolotr’asa

    Tsy misy ny « appel d'offre » mba handraisana anjara amin’ny asa, ny « crédit » an’ny fanjakana tsy misokatra. Efa amam-bolana maro no niainanay izany. Sempotra izahay, hoy ireo mpandraharaha aty Toliara, nefa mba toy olona rehetra ihany mamelona vady aman-janaka, ary ny ankizy tsy mahalala izany tsy fisiana izany.  
    Lire la suite ...
Page 1 sur 50