Dadi Love: Nizara tsiky sy nanolotra fanampiana ho an’ireo marary tsaboina ao amin’ny hopitaliben’Antsohihy

  • mercredi, 15 janvier 2020 15:57
  • Zakaria
  • Sary: Dadi Love Madagascar

Tanàna nahaterahan’i Dadi Love, mpanakanto, i Antsohihy. Nandalo aty an-toerana izy mivady amin’izao taona vaovao, ary mahatsiaro manokana ireo marary tsaboina ao amin’ny hopitaliben’Antsohihy, nanome hery azy ireo sy nanolotra izay voatsirambin’ny tanana.

« Tao ny nitomany amin’ny haravoana, tao no nitsiky an-kafaliana, tao ny marary tafapetraka tampoka tsy tadidiny intsony hoe marary izy noho ny hafaliana satria mahatsapa fa manana havana marina izy ireo izay tsy manadino », hoy i Dady Love.

« Tsoriko fa tsy hieritreritra tambiny amin’ny soa izay ataoko amin’ny mpiara-belona amiko ny tenako fa maimaimpoana ny fanomezan’Andriamanitra ny talenta ananako izay ahazoako vola, ka tsy tokony hahafaty antoka ahy mihitsy ny hanampy ny hafa amin’izay kely ananako, ka mivavaka ho azy ireo mba ho sitrana soaman-tsara », hoy hatrany ity mpanakanto ity tao amin’ny pejiny facebook.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.