Tarika AmbondronA: Seho feno sy niavaka tao amin’ny Palais des Sports

  • lundi, 30 décembre 2019 09:38
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Fahombiazana ! Izay no mahafintina ny seho natolotry ny tarika AmbondronA tao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ny alahady tolakandro. Nanolotra seho niavaka ny tarika, na teo amin’ny sehatra izany na ny hira.

Nanome voninahitra manokana an’i Dadah Mahaleo ny tarika nandritra ny seho. Nanome sehatra ary nampiara-peo tamin-dry Reko - Fy & His Band (Fy Rasolofoniana) sy tarika Iraimbilanja nosolin’i Roger tena ihany koa.

Niara-niredona ny hira nalahatry ry Beranto, Kix, Honty, Ranto ary Blanc ny mpijery maro nameno trano, izay saika tanora ny ankamaroany.

Ny ketrika.com moa no nisahana ny famarotana ny tapakila fidirana teo amin'ny tranokala.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.