Anosy: Fampirantiana ny asa soratr’i Brench Mbolamasoandro

  • jeudi, 05 décembre 2019 17:22
  • Njaka
  • Sary Njaka

Notontosaina tetsy amin’ny tranom-bokimpirenena Anosy ny fampirantiana ny asa soratr’i Brench Mbolamasoandro

Ka ny hevitra navoitra tamin’izany moa dia ny hoe ”Izao rehetra izao”, izay anehoana ireo sangan’asa maro samyihafa nodiavina tamin’izay lalan’ny sehatry ny kanto izay.

Maro ireo sangan’asa izay nampirantiana tao, toy ny asa soratra, ny akanjo, ny hosodoko; anisan’ny mampivoatra ny fifaneraserana amin’ny olona ny asa soratra hoy ramatoa Brench Mbolamasoandro raha nanome ohatra izy ny hoe “olona izay tsy nifanerasera nandritry ny taona maro, kanefa dia nampihaon’ny asa soratra“, ary anisan’ny hery lehibe ny hetsika toy izao mba ahampafantarana ireo kanto rehetra aseho amin’ny olona mpankafy, ary sarotra ny lalana nodiavina vao mahavita hetsika anakiray.

Mila fiaretana ny mpanoratra hoy Brench Mbolamasoandro, ary mila ihany koa mizara ny traik’efa izay hanana ho an’ny rehetra, ka amin’ny alarobia 11 desambra ho avy izao amin’ny roa tolakandro ao amin’ny tranom-boky Anosy ihany, ka hisy ny fizarana traik’efa hoataony izay hanasana ny rehetra mba ho tonga, fa misy ny ady hevitra momba ny asa soratra.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.