Pedro OPEKA: Notolorana ny amboara « Fondation Air France 2019 »

  • jeudi, 05 décembre 2019 14:29
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Isaky ny roa taona ny « Fondation Air France » dia manome loka fankasitrahana ireo fikambanana mandray an-tanana ireo ankizy tsy salama, manana fahasembanana na tra-pahasahiranana lalina. Tamin’ity taona ity, dia mompera Pedro OPEKA sy ny « Akamasoa » no voasafidin’ny « Fondation Air France » nahazo fankasitrahana.

Tao amin’ny mozea Musée quai Branly ao Parisy renivohitr’i Frantsa no natao ny lanonana nanoloran-dRtoa Anne Rigail, filohan’ny « Fondation Air France » ny loka tamin’ny mompera Pedro. Nanome voninahitra izany Rtoa Brigitte Macron, vadin’ny filoha frantsay Emmanuel Macron.

Folo taona amin’ity 2019 izao ny « Fondation Air France ». 30 taona nandraisana an-tanana ireo olona sahirana sy nampivoatra ny fiainan’izy ireo kosa ny « Akamasoa » eny Andralanitra, naorin’ny mompera Pedro.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.