Sakafo: Niarahaba ny fahatongavan’ny KFC i Chef Mbinina

  • lundi, 18 novembre 2019 17:14
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Ora vitsy taorian’ny nisokafan’ny toeram-pisakafoanana voalohan’ny vondrona KFC etsy amin’ny Water Front Ambodivona-Antananarivo androany alatsinainy 18 novambra, dia nanao fanambarana tao amin’ny pejiny facebook i Randrianaivo Ambinintsoa Arson na Chef Mbinina, filoha mpanorina ny La Gastronomie Pizza.

« Tongasoa KFC ! », hoy i Chef Mbinina. Nanome toky ireo mpanjifany i Chef Mbinina manoloana ny resabe miely, indrindra amin’ny tambazotra sosialy, milaza fa « ho faty amin’izay ny La Gastronomie Pizza ». « Marina fa bitika kely izahay fa tsy ho faty izany io, hihatsara aza. Hiatrika ady sarotra mihitsy no maha Chef ahy ! Aza matahotra », hoy hatrany i Chef Mbinina.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.