Art et Culture

    • dimanche, 13 octobre 2019 17:04

    « Festival Jerijery »: Hotontosaina ny 31 okotobra ka hatramin’ny 3 novambra ny Andiany faha-17

    Miomana handray ny « Festival Jerijery » ny tanànan’i Vavatenina. Andiany faha-17 ny amin’ity taona 2019 ity, izay hotontosaina ny 31 okotobra ka hatramin’ny 3 novambra 2019. Hisy fifaninana vakodrazana sy dihy, « Miss Jerijery », fifaninanana ara-panatanjahantena toy ny baolina kitra, baskety, tsipy kanetibe ary koa adin’akoho. Nahafantaran’ny olona bebe kokoa an’i Vavatenina ny « Festival Jerijery », nivoatra nanaraka an’izay koa ny fanorenana fotodrafitrasa fandraisam-bahiny. Mpanakanto maro no hanafana ny fotoana, toa an-dry Vaiavy Chila, Mario, Ramilison Besigara, Zaza Kanto …  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 13 octobre 2019 16:18
    • Sary nindramina

    Rovan'i Manjakamiadana: Efa eto an-drenivohitra ny ampahany amin’ireo hazo voamboana ho an’ny fanamboarana

    Voamboana 350 m3 no voafaritra fa hanamboarana ny Rovan'i Manjakamiadana. Efa voatatitra eto Antananarivo ny ampahany amin' ireo voamboana saika haondrana an-tsokosoka ka nogiazana tany amin'ny faritra. Avy Mahajanga sy Toliara ireto hazo hanamboarana ny Rovan'i Manjakamiadana ireto. Tsy lany anamboarana ny Rovan'i Manjakamiadana avokoa izy ireo, ka hanaovana tolobidy ny hazo ambiny, ka hojerena manokana amin’izany ireo mpanao asa tanana. Efa nazahoana alalana tamin'ny Fitsarana ny fampiasana ireto hazo ireto, araka ny fanazavan’ny minisitry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy, Georget Alexandre.  
    Lire la suite ...
    • samedi, 12 octobre 2019 09:07
    • Sary nindramina

    « Jeux de Melaky »: Misokatra eto Morafenobe ny andiany faha-31

    Ambohimpihaonana ny eto Morafenobe. Misokatra ofisialy ny 11 oktobra 2019 ny Lalaon’i Melaky (Jeux de Melaky). Andiany faha-31 ny amin’ity taona ity, nampitondraina ny lohateny hoe « Manaitsy ». Misy ny fifaninanana ara-panatanjahantena ifaninanan’ireo tanora avy amin’ireo Distrika mandrafitra ny Farita Melaky, eo ihany koa ny zavakanto mampiavaka ny faritra. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • vendredi, 11 octobre 2019 14:13
    • Sary nindramina

    Loka Nobel Fandriampahalemana: Natolotra an’i Abiy Ahmed Ali, Praiminisitra etiopianina

    Abiy Ahmed Ali no nosafidian’ny komity hotolorana ny Loka Nobel Fandriampahalemana (Prix Nobel de la Paix) taona 2019. Praiminisitra amperinasa any Ethiopia nanomboka tamin’ny 2018 i Abiy Ahmed. Ny ezaka nataony hamitranana ny fihavanana sy ny fifandraisana eo amin’i Ethiopia sy Érythrée. I Abiy Ahmed no nandimby an’i Denis Mukwege sy Yazidie Nadia Murad, ireto farany no notolorana ny Loka Nobel Fandriampahalemana tamin’ny 2018 noho ny ady niarahan’izy ireo manohitra ny herisetra ara-nofo. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • jeudi, 03 octobre 2019 17:34
    • Sary Gasypatriote Antsirabe

    Festival Angaredona: Nanomboka androany ny andiany faha 15

    Raikitra ary nanomboka androany 3 oktobra 2019 eto Antsirabe ny Festival Angaredona, andiany faha-15. Nosantarina tamin'ny fizarana mari-boninahitra ho an'ireo mpanankanto miisa 51 ny hetsika. Misy mpitendry mozika, mpanoratra sy mpikambary ary mpanao hosodoko isan-karazany izy ireo. Ireo izay nangataka, no nomena mari-boninahitra, rehefa nahafeno ny fepetra, fa tsy ny ministeran’ny serasera sy kolontsaina no nifantina ireo notolorana izany. Tonga teto Antsirabe ny minisitry ny serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo nanolotra izany no sady nanokatra ny « Festival Angaredona ». (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mardi, 01 octobre 2019 22:39
    • Sary nomena

    Finoana Anglikana: Tafajoro ny fiangonana ao Kaloara 15 taona aty aoriana

    Tafajoro soamantsara ny Fiangonana Anglikana aty amin'ny zanabohitra Kaloara, 15 taona taorian'ny asa fitoriana filazantsara voalohany taty an-toerana. Vohitra iray anisany mamaritra ny Kaominina Imerimandroso i Kaloara, Distrikan’Ambatondrazaka. « Vavolombelon’ny fisian'ny fiasan'Andriamanitra ny fitsanganana Fiangonana », hoy ny Mgr Samoela Jaona Ranarivelo, izay Evekan'ny Diosesin'Antananarivo sady filohan'ny Foiben'ny Eklesia Episkopaly Malagasy. Ny Evanjelisitra avy eo anivon'ny finoana Anglikana no namaky lay voalohany ny fitoriana Filazantsara taty an-toerana. Ankehitriny tafajoro ny fiangonana ary efa manomboka miha miroborobo izany asa fitoriana ny filazantsara izany. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • lundi, 30 septembre 2019 11:29
    • Sary Gasypatriote Morondava

    Rovan’i Manjakamiadana: Hisy « palissandre » avy any Menabe ho akora amin’ny fanarenana

    Halefa any Antananarivo ny ampahany amin’ireo « palissandre » na voamboana nisy nitrandraka an-tsokosokoa ka tra-tehaka ary giazana eto amin’ny foibem-paritry ny tontolo iainana sy fampandrosoana maharitra na DREDD Menabe, ho anjaran’i Menabe amin’ny fanarenana ny Rovan’i Manjakamiadana, hoy ny minisitry ny tontolo iainana sy fampandrosoana maharitra, Alexandre Georget, raha nitsidika ny biraom-paritry ny tontolo iainana Menabe teto Morondava ny tenany. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 27 septembre 2019 16:26
    • Sary nindramina

    Morondava: Maresaka ny tanàna

    Nisokatra omaly 26 septambra 2019 ny « Foara Renala » andiany faha-5 sy ny « Festival Rifatse ». Karnavaly no nanokafana ny hetsika. Maresaka eto an-drenivohitry ny Faritra Menabe. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • vendredi, 27 septembre 2019 15:34
    • Sary Gasypatriote Antsirabe

    Festival Angaredona: Antsirabe no hampiantrano ny andiany faha-15

    Ho tontosaina eto Antsirabe ny 03 ka hatramin’ny 06 oktobra izao ny “Festival Angaredona andiany faha 15”. Nampahafantatra izany tao amin’ny Alliance Française Antsirabe ny mpikarakara, notarihin-dRajery. Mpanakanto manodidina ny 50 no handray anjara amin’ity « Festival Angaredona » io, hisy avy any Kameronina, Etopia sy avy any Amerika. Ho avy ihany koa i Talike, mpanakanto Malagasy mipetraka any Belzika. Manohana ity hetsika ity ny Ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina ary ny Ofisim-paritry ny fizahantany eto Vakinankaratra. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 27 septembre 2019 10:51
    • Sary nindramina

    Teatra: Nodimandry « Ramaka » Tropy Landy Volafotsy

    Nodimandry teo amin’ny faha-71 taonany, ny alarobia 24 septambra 2019, i Ramahazomanana Jean Louis. « Ramaka » no nahafantaran’ny maro azy teo amin’ny tontolon’ny teatra, na teto Madagasikara na tany ivelany, ary tao anatin’ny Tropy Landy Volafotsy. Mpisehatra tao amin’ny tropy Lesth Andriambelo sy Odeam Rakoto izy tany am-boalohany. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
Page 1 sur 35