Gara Jean Robert: Andrasana ato amin’ny Gymnase Couvert Antsiranana ny nofo mangatsiakany

  • vendredi, 14 juin 2019 22:59
  • Britto
  • Sary nomena

Tonga eto Antsiranana ary iaretan-tory ato amin’ny Gymnase Couvert Antsiranana ny nofo mangatsiakan’i Gara Jean Robert.

Nandalo tao amin’ny Faritra DIANA ny nofo mangatsiaka, ary nampandalovina tao amin’ny SECREN ihany koa, nialoha ny nitondrana azy ato amin’ny Gymnase Couvert. Efa Tale jeneralin’ny orinasam-panjakana SECREN izy fahavelony, ary nahavita be tao sy tamin’ity faritra avaratra ity, satria efa Governoran'Antsiranana ihany koa izy tamin'ny andron'ny Filoha Didier Ratsiraka.

Ny marainan’ny talata 11 jona 2019 i Gara Jean Robert no nodimandry, rehefa nitsabo tena maharitra tao Antananarivo.

Fantatra teo amin'ny sehatry ny baskety sy ny baolina kitra ihany koa izy.

Hatao rahampitso sabotsy 15 jona ny fandevenana azy any amin'ny Kaominina Anamakia Antsiranana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.