Kaominina Toamasina: Novohaina teo anatrehan'ny Vadintany ny varavaran’ny birao, handraisan’ny PDS ny asany

  • jeudi, 06 juin 2019 18:53
  • Britto
  • Sary nomena

Androany alakamisy 6 jona 2019, tamin'ny 10 ora maraina, no tonga ny vadintany nanokatra ny varavaran'ny birao tamin'ny alalan'ny fanalahidy nentin'ny mpiara-miasa amin'i Elisée Ratsiraka, Ben'ny tanàna naato tamin’ny asany.

Natao ny fisavana rehetra sy ny firaketana an-tsoratra izany, ka tany amin'ny 11ora latsaka no tonga ny PDS Razafimanana Christain nandray ny toerany sy namory avy hatrany ireo mpiara-miasa aminy nandamina ny asa hatao, isan'ireny ny fandaminana ny fisoratam-panampadiana izay naverina aloha amin'ny lehiben'ny servisy misahana izany.

Nandray ny asany avy, androany atoandro koa ireo PDS lefitra roa Dr Celestine Marie Razafiarisoa sy Toto Jean sy ny Sekretera jeneralin’ny Kaominina Rakotoarivelo Solofo Ginah.

Miteraka resabe ity fihazakazahana nanendry PDS eto Toamasina ity. Milaza ireo mpomba ny Ben’ny tanàna Elisée Ratsiraka fa tsy voahaja ny dingana ahatongavana amin’izany fametrahana delegasiona manokana hitantana ny tanàna izany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.