Royaume-Uni: Nametra-pialana ny praiminisitra Theresa May

  • vendredi, 24 mai 2019 15:04
  • Britto
  • Sary nindramina

Tsy ho lehiben’ny governemanta birtanika i Theresa May manomboka amin’ny 7 jona 2019, ary tsy ho lehiben’ny antoko Mitana ny nentindrazana ihany koa.

Tsy tafavoaka ny drafitra narosony hanatanterahana ny fisintahan’i Royaume-Uni tsy ho ao anatin’ny Vondrona Eorôpeana na Brexit.

Maso manganohano sy feo kendakenda no nanambaran’i Theresa May ny fametraham-pialany androany, teo anoloan’ny 10, Downing Street, misy ny birao fiasan’ny praiminisitra.

62 taona i Theresa May ankehitriny, minisitry ny Atitany izy teo aloha, ary tamin’ny jolay 2016 no naha praiminisitra azy rehefa tafita tamin’ny salanisa 52% ny Brexit, taorian’ny fitsapankevibahoaka natao ny 23 jona 2016. David Cameron ny praiminisitra nodimbiasany toerana.

Nanao izay ho afany i Theresa May tao anatin’ny telo taona izay, saingy tampi-dalankaleha ihany, misitaka tsikelikely koa ireo niara-dia taminy nampandany io Brexit io, ny Anglisy manomboka mampiaka-peo hoe aiza ihany izy ity, hany ka naleony nametra-pialana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.