Ankazobe: Namono olona 5 indray ny RN4

  • mardi, 16 janvier 2018 18:23
  • Tigre
  • Sary Gasypatriote Ankazobe

Ny alatsinainy alina 15 janoary no nitranga ny loza teto Ankazobe, lalampirenena faha 4, efa hiditra ny tananan'Ankazobe. Nivadika ambony ambany ity sprinter fotsy ity. Fiara nifanao caravane dia mifampisongisongina, ny iray avy any Antanifotsy Antsirabe hiazo an'i Mahajanga.

5 no maty ary maro ny naratra nampidirina hopitaly eto Ankazobe.

Mila jerena manokana mihitsy ity toe-draharaha ity, fa nanomboka ny taom-baovao dia fiara tsy latsaky ny 20 no voan'ny accident eto Ankazobe. 4 isakerin'andro ny lozam-piarakodia eto, ary ny taxi-brousse no tena voa amin'izany.

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.