Pesta: Miato ny fampianarana amin'ny CISCO enina

  • lundi, 02 octobre 2017 22:02
  • Zakaria
  • Tahirin-tsary Sobika

Namoaka fanambarana ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena fa "mba ho fanohizana ny fanadiovana ny sekoly (Miankina na tsy miankina amin'ny Fanjakàna) dia hahato ny fampianarana amin'ireto toerana voalaza ireto amin'ity herinandro ity (03 hatramin'ny 06 oktobra 2017):

- Antananarivo renivohitra
- Antananarivo Avaradrano
- Antananarivo Atsimondrano
- Ambohidratrimo
- Toamasina I
- Toamasina II

Manentana ireo sekoly tsy miankina ihany koa ny ministera mba handraraka fanafody amin'ny sekoly mandritra io fotoana voalaza io.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.